solutions crises

FANAMBARANA

Manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia tsy hay ny hangina. Izahay Tanora ho amin'ny Demokrasia Marina (Tandem) dia mampatsiahy fa ny tantara dia fitadidy ary tokony hangalana lesona mba tsy hiverenany intsony.

Fomba tsy manaraka ny fenitra demokratika hatrany no fomba nangalana fanjankana hatrany amin'ny fahaleovantena no mankaty amin'izao vanimpotona izao. Nentina an-dalam-be foana ny vahoaka mba entina hanamasinana ny fitakiana sy fanoherana ny fitondrana misy, fomba nolavain'ireo taranaka PADESM izany ka tohizanany mandrak'androany. Ny vokatry ny tolona matetika dia fahasimbana, faharatrana eny hatramin'ny fahafatesana mihitsy.

Tsy nisy tena demokrasia marina teto na ho an'izay nitondra na ho an 'ireo nanohitra fa fampikatsoana ny raharaham-pirenena, ny fanaparam-pahefana , ny ramatahora ary ny fanaovana teny tsy voahevitra no nanjaka teto.

Koa miantso izahay ato amin'ny Tandem, Tanora mikatsaka ny soa sy ny fampandrosoana an'ity Firenena iaraha-manana ity, fa: Ampy izay ny hambom-po diso toerana sy fifampihatsiana maro samihafa, ny tanindrazana iombonana no ho jerena ka ho sahy hiatrika dingana vaovao hifampidinika, hikatsahana vaha-olana mba hivoahana amin’izao krizy politika, sosialy ary toe-karena izao ary hametrahana Demokrasia tena Marina.
Tsy azo hidovirana intsony ny fifampidihina.

SOSO-KEVITRA

- Ny Mpanelanelana dia mpikatroka avy amin’ny hery politika tsy momba ny atsy na aroa amin’izao toe-draharaha izao satria olana politika no misy ka vaha-olana politika no ilaina hamahana izany

- Apetraka ny Governemanta Tetezamita hifarimbonana ny ankolafin-kery roa tonta sy ireo hery politika hafa vonona sy mikatsaka ny demokrasia tena izy

- Ny fotoam-piasan’izany Governemanta Tetezamita izany dia eo amin’y 18 volana raha be indrindra - Apetraka ho Praiministra dia olona tsy momba ny atsy na aroa, to-teny eto amin’ny firenena sy indrindra afaka mandray ireo hetahetan’ny roa tonta, manana fahaiza-manao sy ampy traikefa amin’ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola

- Fampiantona ny Lalam-panorenana ankehitriny, izay midika ho fandravana ny Antenimiera roa tonta

- Fananganana Andrim-panjakana hisahana ny Fahefana mpanao lalàna

- Fanovana ny mpikambana ao amin’ny HCC

Isan’ny asa miandry izany Governemanta izany ny :

• Fanomanana fifidianana madio , malalaka ary tena manaja ny fototra demokratika

• Fikarakarana fihaonan’ny ankolafin-kery rehetra eto amin’ny firenena mba hametrahana:
* Lalam-panorenana vaovao tena manaja ny fenitra demokratika,
* Lalam-pifidianana vaovao mifanaraka amin’ny toetr’andro sy fenitra demokratika
*Commission National Electoral Indépendant (CNEI) sy ireo fepetra mitondra amin’ny fifidianana mangarahara sy marina (bulletin unique, urne transparente…)
* Ny Fitantana mahomby( bonne gouvernance), ny tetika hanarenana ny toe-karena ( plan de relance économique) sy hiatrehana ny krizy eran-tany,…
*Lalàna mifehy ny fifandraisana,
• Fandrafetana ny Bokin’andraikitry maharitra ny fampahalalam-baovaom-panjakana mba hisokatra malalaka ho an’ny ankolafin-kery rehetra misy eto amin’ny firenena

Antananarivo, faha 30 janoary 2009.

TanDeM
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :